ActualitésTsidika

Lozam-pifamoivoizana teo Ambalakely Fianarantsoa

Betsaka tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana mitranga vokatry ny tsy fitandremana. Na tsy nisy aza ny aina nafoy dia velo-taraina ireo tra-doza androany maraina tamin’ny 9 ora sy 20 minitra teo raha nikasa hihazo ny tsenan’Andohasaha Fianarantsoa. Tao anaty fiholanana no nikasa hisongona ny fiara teo alohany ny mpamily araky ny tatitr’ireo nanatri-maso. Saingy nisy fiara tampoka avy aty Avaratra ka tsy hitan’ny mpamily intsony izay niala, ka izao nivarina tanaty hady izao. Maro ny naratra tamin’izany ary efa voaray an-tanana avokoa izy ireo amin’izao fotoana.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire