Dinihina manomboka androany ny teti-pivoarana ho an’ny Fanabeazana
Ao amin’ny Plaza Ampefiloha no hanatanterahina ny famelabelarana sy adi-hevitra mahakasika ny teti-pivoarana ho an’ny fanabeazana (PES). Anio 21 jona dia natokana ho an’ny fomba fiatrehana ny valanaretina Covid-19 eo amin’ny sehatry ny fampianarana ary rahampitso 22 jona no hifanakalozan-kevitra eo amin’ny tontolon’ny mpampianatra. “Miantso antsika rehetra mpisehatra amin’ny lafiny fanabeazana na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana ireo mpiara-miombon’antoka ny ministera 3 satria tsy efan’irery ny fanabeazana fa andraikitry ny rehetra” hoy i Ratsimisetra Felamboahangy, sekretera jereneraly ao amin’ny ministeran’ny fababeazam-pirenena.
Hasina Rasamimanana
