Ambolo Talata Volonondry : Mandraharaha manodidina ny tongolo ny 50% amin’ny mponina
Fokontany iray mandrafitra ny kaominina ambanivohitra Talata Volonondry i Ambolo. Raha ny maha ambanivohitra azy izay dia mpamboly ny ankamaroan’ny mponina ao. Ny voly tongolo no tena ifotoran’ny olona akaiky, ary azo lazaina fa maha velona azy izany. »Izahay tsy manana diplaoma firy fa io fambolena io ihany no azonay atao, ka io no ezahina hatsaraina » hoy Martine, renim-pianakaviana monina ao Ambolo. Azo trandrahana tsara ny sehatry ny fambolena, indrindra ny tongolo. Iza tokoa moa no tsy mila tongolo, hatramin’ny olon-tsotra sy ny toeram-pisakafoana avo lenta ? »Kendrena ny hampitombona ny vokatra, ary ezahina ny miala tsikelikely amin’ny fambolena nentim-paharazana, ka ampidirina ny fambolena maoderina : sady vetivety no betsaka ny vokatra miakatra » hoy i Jean De Dieu, mpisehatra amin’ny voly tongolo. Efa maro ireo mahita lalana amin’ny fivarotana tongolo, ka tsy mananosarotra loatra ny famarotana azy ; saingy miovaova kosa ny vidiny. « Miantoka tongolo ny tenako, ary eto Andravoahangy no hamarotako ny tongolo sasany. Nampiasa vola aloha tamin’ny voalohany, ary efa maty antoka, saingy izay mihitsy ilay fiainana : tsy ilaozan’izay tsy fahombiazana fa mila mijoro foana isika » hoy i Justin, mpandraharaha amin’ny resaka tongolo.Tokatrano maro no mivelona amin’io sehatra tongolo io ao Ambolo, izay azo lazaina fa manana olona maro ao anatin’ny fahatanjahana tsara. Tsy maintsy miasa vao mihinana, ary tsy misy asa ratsy, fa rehefa hajaina sy harahina tsara izy dia mahavelona foana. Betsaka ny azo hanodinana ny tongolo eto amintsika fa mila trandrahina ny hanaovana azy. Izay misy ihany no trandrahana fa tsy mitady lavitra.
Nicole Rafalimananjara
