Mivoatra hatrany ny teknolojia.
Mihazakazaka ny fivoaran’ny teknolojia, na ny eto Madagasikara na ny any ivelany. Miezaka mamolavola zavatra vaovao hatrany ihany koa ny mpikaroka. Taona maro nifandimby izay no efa nahitan’izy ireo fivoarana hatrany ho fanamorana ny fifaneraserana. Taorian’ny fivoaran’ny teknolojiam-pifandraisan-davitra, izay nisian’ny 2G, 3G ,4G, efa natomboka teto Madagasikara ihany koa ny fanaovana andrana ho an’ny 5G ny taona lasa teo. Niteraka resabe teto amin’ny firenena izany taorian’ny nilazan’ny orinasampifandraisandavitra iray ny fametrahana azy. Taorian’izay no nilaza ny teo anivon’ny Autorité de Régulation des Technologies de Communication (ARTEC) fa hajanona aloha ny andrana 5G eto Madagasikara. Nanabara anefa ny manapahaizana fa tombotsoa maro no azo avy amin’ny 5G. Hampiana ireo tolotra azon’ny mpanjifa ampiasaina, havaozina ihany koa ny lafiny teknika. Inoana fa ho haingam-pandeha izy ity raha mihoatra ny teknolojia hafa. Ny orinasa Ericsson moa no niandraikitra ny fametrahana izany teto amin’ny firenena. Mety hitondra haitao vaovao eo amin’ny lafiny fifandraisan-davitra sy ny sehatry ny fanabezana, ny fahasalamana ary ny tolotra ara-barotra isan-karazany sy isan-tsehatra samihafa ny fampiasana azy ity. Hita mibaribary, ankehitriny, ny andraikitry ny fifandraisan-davitra manoloana ny fiainana an-davan’andro.Tsapa fa fototry ny sehatra rehetra ny lafiny niomerika.
Fanilo Rarivoarilala
