Toetr’andro: Hitombo ny rotsak’orana manerana ny faritra maro manerana ny Nosy
Raha nahatsikaritra ny rehetra dia nitoetra ny oran’andro saika nanerana ny faritra maro manerana an’ny Madagasikara. Nanambara ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro fa hitombo ihany izany rotsak’orana izany manomboka anio izay hahatratra eo amin’ny 50 hatramin’ny 120mm eo ny refiny. Mila miomana avokoa ny ambany toerana noho izany amin’ny mety hisian’ny fiakaran’ny rano tampoka.
“Hanomboka anio hatramin’ny 6 martsa izao no mety hitoeran’izany rotsak’orana betsaka izany ary mety hahazo izany avokoa ny faritra maro manerana ny Nosy. Ahiana ny mety hisian’ny fanelingelenana ny asa andavanandro noho ny mety ho fiakaran’ny rano, ny mety hisian’ny tondra-drano ary ny mety hisian’ny tsy fahitana rano izany”, hoy ny avy ao amin’ny Météo Madagasikara.
“Nad ia miverina vanin’andro fahavaratra azan y eto amin’ny Nosy dia mila mitandrina hatrany indrindra ireo amin’ny faritra ambany toerana. Ireo mpiandriaka ihany koa tokony hanara-maso tsara ny ranomasina satria ilaina izany hahafahana mandray fepetra rahasendra misy fikorontanana eny an-dranomasina”, hoy kosa ny avy ao amin’ny BNGRC amin’ny fampitandremana hatrany.
Mila mitandrina araka izany ireot faritra izay mahazo filazana fampitandremana ireto. Miloko mavo ho an’ny faritra Atsimo Andrefana. Filazana fampitandremana miloko maitso kosa ho an’ny faritra Boeny, Ihorombe, Androy, Anosy, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, ny distrikan’i Besalampy, Maintirano, Antsalova, Morafenobe, Belo Tsiribihina, Morondava, Manja, Analalava, Antsohihy, Port-Berger.
Miora Raharisolo
