Anjeva : Manomboka ny asa fampandrosoana ao amin’ny kaominina
Manomboka ny asa fampandrosoana ny tanàna ao amin’ny kaominina Anjeva gara. Nanomboka ny fiandohan’ny volana Martsa teo, dia niroso tamin’ny fametahana ireo fantsona mitondra ny rano fisotro madio ao amin’ny fokontany Anjeva gara ny ben’ny tanàna sy ny fokonolona tao an-toerana.
« Amin’izao volana vaovao izao no fanombohan’ny fampandrosoana aty amin’ny tanàna rehefa miala tsikelikely amin’ny fotoanan’ny fahavaratra. Ny fokontany Anjeva gara indray aloha zao no nanatanterahana izay asa fampandrosoana izay dia ny fametrahana ny tuyau mirefy 4km, rehefa vita ny ady tatatra nataon’ny fokonolona» hoy ny ben’ny tanàna ao an-toerana.
« Anisan’ny hery lehibe amin’ny fampandrosoana ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kinan’ny fokonolona ka nahavitana izao tatatra izao. Manamora fampivoarana ny fiaraha-monina izao ary mampirindra ny mampandroso azy satria ho an’ny tombotsoa iombonana » hoy i Louis, mponina ao Anjeva.
Marihina fa paompin-drano miisa 11 no hapetraka hamatsiana rano ny mponina manodidina ny 1 232 amin’ny faritra 4 ao anatin’ny fokontany. Tanjon’ny ben’ny tanàna ao an-toerana moa ny hampiditra rano fisotro madio, manerana ireo fokontany miisa 10 ao an-toerana.
Manitra R.
