ActualitésTatitra

France : David Belle, anisany ireo mpamorona ny « parkour »

Mpanao fanatanjahantena, «cascadeur » ary mpilalao sarimihetsika i David Belle. Anisan’ireo mpamorona ny taranja «parkour » ny tenany.

15 taona monja i David Belle no nanomboka nanao « parkour ». Anisany nakany haingam-panahy tamin’izany ny asan’ny rainy Raymond Belle sy ny  zokiny Jean-François. Mpamonjy voina efa za-draharaha ireto izay niasa tao amin’ny « Brigade des sapeurs-pompiers » tao Paris. Marihana fa efa nisahana izany asa izany ihany koa ny raibeny Gilbert Kitten.

Anisany niara-namorona ny vondrona mpinamana Yamasaki, niandohan’ny taranja « parkour » tamin’i David Belle ny namany akaiky Mathieu Jecko rehefa nizara ny fitiavana ny taranja izy ireo.

Laisser un commentaire