Alasora : Miavaka foana ny olona manao fanatanjahan-tena
Notontosaina omaly ny famaranana ny lalao coupe du maire 2022 ho an’ny baolina kitra Tao amin’ny Kianja Est Mahazoarivo no nanantanterahana izany. Tsiahivina fa efa nisy ny lalao teo aloha ary efa lalao famaranana izany lalao izany. Marihina ihany koa fa ho an’ny lalao baolina kitra ihany no efa nifarana fa ny fifaninanana toy ny tsipy kanety be dia mbola mitohy hatrany.
« Mampifandray hatrany ny hetsika tahaka izao, no sady làlana iray ihany koa hahafan’ireo tanora mivelatra amin’ny taranja ankafiziny, izany indrindra moa no tena tanjon’ity hetsika coupe de maire ity » hoy i Haja anisan’ireo tompon’andraikitra misahana ny hetsika. « Tombony lehibe ho anay tanora ny fisian’ny fifaninana tahaka izao mba hahafany misehatra sy mivelatra bebe koakoa ami’ny taranja fanatanjahan-tena, no sady manampy anay ihany koa hanitsy ireo filalao tsy mety rehetra mba hahafahana mivoitra hatrany hatrany » hoy i Liva anisan’ireo mpandray anjara. « Miavaka foana ny olona manao fanantanjahan-tena eny amin’ny tontolo rehetra izay misy azy, noho izy malalan-tsaina sy tia mivelatra amin’ny be sy maro ka hirariana hatrany ny hitohizan’ny hetsika tahaka izao » hoy i Mamy mpampiofana tanora ho matihanina amin’ny fanatanjahan-tena.
Asaina ireo rehetra liana mahakasika izany. Ary asaina ihany koa ireo tanora hisehatra bebe kokoa any amin’ny lafin’ny fanatanjahan-tena.
Famenontsoa Rajerison
