ActualitésTsidika

Ambohimalaza: Nitrangana fitifirana namoizana ain’olona roa

Ambohimalaza: Nitrangana fitifirana namoizana ain’olona roa

Vehivavy mpiraki-draharaha eny amin’ny fitsarana sy lehilahy inspecteur de police iray no maty voatifitra teny Ambohimahatsinjo, manelanelana ny kaominina Ambohimalaza sy Imerikiasinina, ny faran’ny herinandro teo. Raha ny voalaza, lehilahy tera-tany sinoa iray sy ny mpiambina azy, izay polisy mpiana-draharaha, no nahavanona ny loza.

“Mbola afaka nitondra fiara ilay inspecteur na dia niantefan’ny bala roa aza teo amin’ny tratrany. Tsy lasa lavitra anefa dia nidona mafy tamin’ny tamboho ka potika tanteraka ny fiara nentiny. Nentina namonjy hopitaly izy ireo ka teny an-dalana no namoy ny ainy ilay inspecteur raha tonga teny amin’ny hopitaly HJRA no maty ilay mpiraki-draharaha” hoy ireo nanatri-maso teny amin’ny manodidina.

“Rehefa tonga an-toerana ny zandary nanao ny asany dia voasambotra tamin’izany ilay polisy. Ilay basy nampiasainy kosa efa tsy teny aminy intsony, rehefa natao anefa ny fikarohana dia hita ary voaporofo tokoa fa basy ampiasain’ny polisim-pirenena. Ilay Sinoa kosa tafaporitsaka ny andro nisehoan’ny tranga ary nikasa hivoaka an’I Madagasikara, rehefa napetraka anefa ny vela-paandrika dia tratra tao amin’ny serana-piaramanidina tao Ivato ihany ny tenany” hoy ny avy amin’ny mpitandro filaminana.

Ankoatra azy roalahy tompon’antoka amin’ny fitifirana ireo, olona efatra hafa ihany koa mbola ho atao famotorana amin’izao heloka bevava izao. Mbola tsy mbola fantatra mazava kosa ny tena zava-nitranga.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire