SocialTsidika

Mila arovana ny ala

Manao ny ezaka hatrany amin’ny fiarovana ny tontolo iainana ny ekipan’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny fampandrosoana maharitra indrindra amin’iny faritra Alaotra Mangoro iny. Nampiharana sy nahazahoana vokatra mihitsy aza ny « Tolerance zero » amin’izany faritra izany. Nahatratra fiara be nitondra hazo ala tsy misy taratasy tao Anjiro, amin’ny lalampirenena faharoa, ny ekipan’ny DREDD Alaotra Mangoro nandritra ny fanaraha-maso natao. Notanana am-ponja vonjimaika ny ramatoa iray tompon’antoka tamin’izao fitaterana tsy ara-dalana izao. Amin’ny 05 May izao no fitsarana azy. Nahatrarana fahasimbana Zetra sy fanorenam-ponenana tsy ara-dalàna ihany koa tao amin’ny faritra arovana Lac Alaotra, Fokontany Angoja, Kaominina Ambatosoratra. Niharan’ny sazy avy hatrany ireo tompon’antoka tamin’izay ka voaheloka higarda an-tranomaizana mandritra ny 1 taona miampy lamandy 2 Tapitrisa Ariary. Tapaka nandritra ny fivorian’ny Ekipan’ny DREDD Alaotra Mangoro sy ny orinasa Fanalamanga ny faha-15 aprily tao Moramanga ny fampihatoana ny fikapàna hazo kesika sy fanaovana arina amin’ny tany manan-tompo ao anaty faritra tantanan’ny orinasa Fanalamanga (PRRM). Izany no natao mba hahafahana mifehy ity sehatra ity ary hamoaka naoty mikasika izany ny DREDD Alaotra Mangoro. Arovy ny ala, arovy ny tontolo iainana, tsy andraikitry ny Minisitera irery izany fa eo ihany koa vahoaka. Afaka mitoroka ny mpanimbazimba ny tontolo iainana ny vahoaka.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire