Fitaterana mankany amin’ny faritra : Mbola ao anatin’ny fikatonana tanteraka
Tsy misy afaka manohatra manoloana ny zava-misy eo amin’ny sehatra rehetra ankehitriny. Mifandraika tanteraka amin’ny fidiram-bolan’ny tsirairay anefa izany. Anisan’ny asa miato ankehitriny ny fitaterana regionaly sy nationaly. Isika rahateo ao anatin’ny hamehana ara-pahasalamana andiany faharoa amin’izao. Vokany, tsy misy asa raikitra aloha raha ho an’ny tontolon’ny fitaterana anatiny. Vao tsy ela akory anefa izay no nisy ny antso avo nataon’ny mpitatitra ny amin’ny fanampiana mahakasika azy ireo. Mitaky ny hanomezana vahaolana azy ireo anefa ireto mpitatitra ireo ankehitriny. Tsy mitsaha-mitombo ihany koa etsy ankilany ny fangatahana fanampiana sesilany hataon’ny sehatra hafa izay voakasika amin’izao zava-misy izao ankehitriny. Ny fitaterana anefa izay singa voalohany indrindra mampiparitaka ny valan’aretina manerana ny faritra maro. Ireto farany izay mitaraina nohon’ny asa fivelomany sy ny momba ireo ankohonana. Raha ny fomba fijerin’ny mandinika samihafa anefa, tsy mbola misy ny vahaolana fohy ezaka ho azy ireto. Tsy maintsy miandry ny fotoana hiverenan’ny fitaterana izy ireto ary manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana amin’ny fanampiana azy ireo. Ny momba azy ireto izay mbola tsy voafaritra mazava raha toa ka efa nisy ny fanampiana ireo mpitatitra teto an-drenivohitra tamin’ny taon-dasa izay hamehana ara-pahasalamana voalohany teto Madagasikara. Vahaolana naroson’ny mpitatitra ny hijerena ireo sehatra tsy mandeha rehetra ary ny hanomezana fanampiana manokana azy ireo.
Fanilo Rarivoarilala
