SocialTatitra

Haiti : Manao fihetsiketsehana ny mpino katolika

Nanatanteraka fihetsiketsehana tao amin’ny renivohitr’i Haiti ny 21 aprily lasa teo ny mpino katolika. Anton’ny fihetsiketsehana ny fangatahana ny fanafahana ireo olona 10 izay mpino katolika nisy naka an-keriny. Nanambara ireto mpanao fihetsiketsehana ireto fa tsy taitra amin’ny zava-misy izay mampihoron-koditra ny vahoaka ao Haiti mihitsy ny fanjakana. Mangataka ny fandraisana andraikitra avy amin’izy ireo araka izany ireto mpino katolika ireto. Maro amin’ireo sehatr’asa mifandraika amin’io finoana io no nahato tao an-toerana tamin’io fotoana io. Tsy ny mpino irery ihany koa anefa no manao io fihetsiketsehana io fa na hatramin’ireo vahoaka ao an-toerana koa aza manomboka miara-mientana hanao fangatahana ny amin’ny tsy fandriam-pahalemana misy any an-toerana. “Hitohy hitaky ny fanafahana ireo mpino ireo izahay vao hiverina amin’ny asanay” Hoy ny mpitondra tenin’ny diosezin’ny katolika any an-toerana.

Laisser un commentaire