Fepetra manokana ho an’ny faritra Alaotra Mangoro
Faritra vitsivitsy no nasongadin’ny fepetra nolazain’ny Filoham-pirenena ny Alahady 18 Aprily teo. Fa na dia eo aza izany samy manana ny fanampin’ny fepetra ny faritra tsirairay avy araka ny zava-misy ao aminy. Nandray ny fepetrany manokana ny faritra Mahajanga fa nandray fepetra manokana ihany koa ny faritra Alaotra Mangoro. Ny talata 20 Aprily teo araka izany ny fikaonan-doha nandinihana ny fepetra horaisin’ny faritra manokana iadiana amin’ny fiparitahan’ny tsimok’aretina. Izany fotoana izany no notariahn’ny Governoran’ny Faritra sy ny Préfet d’Ambatondrazaka. Nohamafisina nandritra izany ihany ireo fepetra voalazan’ny Filoham-pirenena mikasika ny faritra. Fa akoatr’ireo ihany koa ny fandrarana ny famorian’olona mihoatra ny 50, ny fanafoanana ny tsena fanao isaky ny faran’ny herinandro any amin’ny Kaominina rehetra. Manomboka amin’ny 9 ora alina ka hatramin’ny 04 ora maraina kosa no fotoana napetraka tsy azo ivezivezena. Nomena fahalalahana kosa ny fivezivezen’ny fiara mpitatitra ao anatin’ny faritra fa ny mpianatra no tsy mbola mahazo mianatra. Tsy misy ny fiandrasam-paty ary tsy maintsy alevina ao anatin’ny 1 andro ny razana rehetra na matin’ny covid-19 na tsia. Fa kosa mbola mahazo misokatra ny azy ny fiangonana saingy ferana ho 50 ihany ny isan’ny olona afaka miara-miangona. Koa samia manaja ny fepetra ny isakin’ny faritra , isan’ny fanohanantsika sy fanampiana omena ny mpitsabo sy ny mpandray an-tanana ny marary ny fanajana ny fepetra. Rehefa samy manaja fepetra mantsy isika mihena ny asan’ny mpitsabo izya tena miady mafy tokoa amin’izao vanim-potoana izao.
Nicole Rafalimananjara
