SocialTatitra

Israel : Manokatra fanadihadihana amin’ny filatsahan’ny balafomanga tany an-toerana

Namely ny firenena israelianina indray ny tao Syrie ny marainan’ny alakamisy 22 aprily 2021. Tany amin’ny faritra atsimon’i Israel no nahitana izany, tamin’ny alalan’ny fandefasana balafomanga. Teo akaikin’ny toby nokleary io tranga io no niseho. Niteraka fanenoan’ny kiririokan’ny fampitandremana avy tao Dimona, izay toby nokleary, avy hatrany io balafomanga io. Nilaza ny tompon’andraikitra tao amin’ny toby fa miahiahy ny mahakasika izany, ka mihevitra fa nokendren’ny syrianina mihitsy izao tranga izao. Ny fomba fijery hafa anefa no milaza fa sidina iray nandalo teo amin’io faritra io no nokendren’ny Syrie, saingy izao saika niantefa tao amin’ny toby nokleary ao Dimona izao. Nilaza ny hanokatra fanadihadihana hafantarana ny tena marina mahakasika ity tranga niseho ity ny ao Israel.

Laisser un commentaire