Faritra Analamanga : Hiditra amin’ny fihibohana isaky ny faran’ny herinandro
Hiditra ao anatin’ny fihibohana tanteraka ny faritra Analaman isaky ny asabotsy sy alahady, raha any voalazan’ny filoham-pirenena. Raha fihibohana amin’ny ampahany no niainantsika tamin’ny taon-dasa, hiditra amin’ny fihibohana tanteraka isaky ny faran’ny herinandro isika. Raha ho an’ny taon-dasa, mbola nisy tamin’ireo mpiasa no manao ny asany na teo aza ny fihibohana amin’ny ampahany. Misy mpitatitra ireo mpiasa ireo mankany amin’ny orinasany amin’ny alalan’ny fiarany manokana. Antsoina hoe fihibohana tanteraka ny tsy fahazoana mifamezivezy eny an-dalambe, tafiditra ao anatin’izany na ny mpandeha an-tongotra sy ny fiara. Eny fa na ireo mpivarotra enta-madinika aza tsy misokatra any ivelany rehefa miresaka ny fihibohana tanteraka isika. Hifanaraka amin’izany ve ny ho avy amin’ireo fotoana ireo? Raha miresaka ny fihibohana amin’ny ampahany mantsy isika, misy ny lera tokony hijanonana amin’izany, raha toa ka tsy misy misokatra mihitsy ny sehatr’asa rehetra amin’ny fotoanan’ny fihibohana tanteraka. Voarara araka izany ny fandehanana eny an-dalambe. Tena hipetraka eto Madagasikara ve anefa izany? Tsy hilaozan’ny manana fahasahiranana sy ny maro samihafa ny vahoaka Malagasy. Ka tsy maintsy ahitana olona mifamezivezy kely eny rehetra ireny. Tsy maintsy manaja ny lalàna ihany koa anefa isika raha izay no hitan’ny fitondram-panjakana fa mety mba hisorohana ny aretina. Voalohany eto Madagasikara araka izany no hampiharana io fepetra fihibohana tanteraka io.
Fanilo Rarivoarilala
