SocialTsidika

23 aprily, andro iraisam-pirenena ho an’ny famakiam-boky sy ny fiarovana ny zon’ny mpanoratra

Tsy misy ny haisoratra sy ny boky mivoaka raha tsy eo ny mpanoratra. Mifampiankina tanteraka ireo sehatra roa ireo.Miankina amin’ny haingam-panahin’ny mpanoratra no hamoahan’izy ireny ny boky. Miainga avy amin’ny zava-misy no hahafahan’izy ireo manolotra ny asa soratra ho kanto sy ho mendrika hatrany. Tsy afa-misaraka amin’ny mpanoratra isika. Misy amin’ireo mpanoratra aza no mitantara ny tena zava-misy niainany rehetra, hatao handraisana lesona sy anatra indrindra izy ireny. Rariny raha toa ka tsarohana izy ireny ao anatin’ny taona iray. Mila ny fanohanana avy amitsika ihany koa izy mba hahafahany mampitombo ny talenta izay hanany. Efa anisany endrim-panohanana hasehontsika amin’izany ny fahazotoana mamaky ireo karazana haisoratra sy sangan’asa vitan’izy ireo. Mitondra tombotsoa maro amin’ny lafiny reetra ihany koa ny asa soratra hataony. Anatra eo amin’ny fiaraha-monina, mitondra lesona ihany koa eo hanatsarana ny lafiny sosialy sy ekonomika. Isaky ny 23 aprily no hankalazana ny andro iraisam-pirenena ho azy ireny. Miezaka manentan hatrany ireo mpitia asa soratra izy ireo mba hanaraka ny efa vitan’izy ireo, sehatra maro ihany koa no efa mieezaka mampiranty ny vokatry ny asa soratr’izy ireo. Tokony hanaja ny zon’ny mpamorona sy hitia ny asa soratra,indrindra fa ny Malagasy isika araka izany.

Fanilo Rarivoarilala

Laisser un commentaire