Fisolokiana: 24 tapitrisa dia mahavita mandefa olona 12 any Maorisy
Efa tsy kely lalana intsony ny mpanao ratsy fa mbola manana fahalalahana be loatra mihitsy noho ny fisian’ny tambazotran-tserasera toy ny facebook. Izany ndrindra no nampiasain’ity tovolahy ity hisolokiana ireo izay olona sendra azy. Efa mitentina 24 tapitrisa ankehitriny no azony raha mampanantena ireo olona izy fa afaka mandefa azy ireo any Maorisy. Olona miisa 12 no tafiditra tao anaty fandrikany ary nahazoana vola 2 tapitrisa avokoa.
“Nilaza izy fa 2 tapitrisa ny vola ilaina amin’ny fikarakarana ireo taratasy hahafahana mivoaka sy ho entina any Maorisy. Nihemotra foana anefa ireo andro voalaza fa handehananay ka izay no nampiahiahy anay ka nahatonga anay nametraka ny fitoriana”, hoy ny solontenan’ireo voasoloky.
“Araka ny fanadihadiana izay natao tsy misy ary tsy mahita izany asa izany akory ity tovolahy ity fa tena mpisoloky mihitsy izy. Natolotra ny fitsarana ny raharaha ka miandry ny valiny”, hoy ny avy ao amin’ny Polisy izay miandraikitra ny heloka an-habaka.
“Mila fantarina tsara aloha raha tena azo antoka ilay olona. Jerena raha manana reputation positive izy teo amin’ireo izay efa niara-niasa taminy. Tokony hisy foana izany. Mila manana porofo ihany koa izy fa tena tsy mpisoloky. Ny tena idealy dia mandalo orinasa miorina ara-panjakana manana NIF STAT raha vao fikirakirana vola be toy izany”, izany no toro-hevitra izay natolotr’i Ando, Conseiller Technique ao amin’ny orianasa iray.
Ekena fa sarotra ny mitady asa, ekena ihany koa fa mety misy vola azo raisina kokoa any ivelany raha miasa any. Mila mailo hatrany anefa amin’ny mpisoloky izay efa maro. Azo atao ihany koa ny mamorona asa ho an’ny tean ziay hitondra soa ho an’ny tena sy hampiakatra ny hari-karena faobe eto Madagasikara.
Miora Raharisolo
