Fitokanana ny tranom-barotra « O’ Matsiatra » ao Antarandolo Fianarantsoa
Mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny fitondram-panjakana amin’ny fanorenana foto-drafitr’asa isam-paritra. Vita soamatsara ny fanorenana ny tranom-barotra « O’Matsiatra » ao Antarandolo Fianaratsoa, ary any an-toerana ny filoham-pirenena Andry Rajoelina manantanteraka ny fitokanana izany. Tsy natokana ho an’ireo mpamokatra sy mpivarotra avy ao an-toerana irery anefa ity tranom-barotra vaovao ity fa natao ihany koa ho an’ireo tanora liana amin’ny resaka fandraharahana sy varotra. Mirefy 6 000m2 ity foto-drafitr’asa vaovao ity, ary vola mitentina 1 055 tapitrisa ariary no nampiasaina tamin’ny fanamboarana azy. Foto-drafitr’asa voalohany mikasika ny varotra ao anatin’ny fitantanan-draharaham-panjakana moa izy ity. Araka ny nambaran’ny tompon’andraikitra ao an-toerana moa dia foto-drafitr’asa faha-74 amin’ireo naorin’ny fitondram-panjakana ity ao Fianaratsoa ity. Miandrandra tohiny sy fiparitahana manerana ny nosy ny vahoaka, fa mba tsy ho indray mandeha tsy miverina dia mijanona hatreo.
Ally Herisoananahary
