ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Niroso tamin’ny fandravàna ny fanorenana tsy ara-dalàna

Nisy ny fandravana ny fanorenana tsy ara-dalàna tao amin’ny fokontany Manjaka ao amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy, ny alarobia lasa teo izay notarihin’ny avy amin’ny fiadidina ny kaominina. Rehefa nandalo tamin’ny ambaratonga isan-tsokajiny voafaritry ny lalàna ahafahana manatanteraka ny fanorenana no nahitana ny tsy fanajana ny fahafahan’ireo mponina manodidina hampiasa ny lalana iraisana ka nahatonga ny fandravana.

« Tsy maintsy niroso tamin’ny fandravana ny fanorenana tamboho izay tsy manaja ny fahafahan’ny manodidina hampiasa ny lalana ny kaominina. Natao izany ho fampiharana ny didy aman-dalàna mifehy ny fanorenana ho tombotsoan’ny mpiara-monina ary ho fanentanana ny be sy ny maro mba hanaja ny dingana tokony harahina rehefa hanao fanorenena » hoy ny amin’ny fiadidina ny kaominina.

« Mety mihitsy ny fandraisana andraikitra tahaka izao satria misy ny olona sasany entin’ny fitiavan-tena ka tsy mijery ny hafa intsony. Manao izay tiany ka hisaorana ny avy ao amin’ny kaominina nihaino sy nanao ny asa amin’ny fitsinjovana anay ety ifotony » hoy i Nary, mponina ao Manjaka.

Anisan’ny manimba ny foto-pisainana tokoa ny fitiavan-kely sy ny tsy fitsinjovana ny hafa. Mbola maro amin’izao fotoana izao ny fanorenana tsy ara-dalàna izay hanentanana ny tomponandraikitra amin’ny firotsahana an-tsehatra mba hiarovana ny zo sy ny tombotsoan’ny mponina. 

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire