Alasora: Nobatain’ny fokontany Ankazobe ny amboaran’ny ben’ny tanàna lalao baolina kitra
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fifananana baolina kitra niadiana ny amboaran’ny ben’ny tanàna, lalaovin’olona 11, tao amin’ny kaominina Alasora. Nibata ny fandresena nandritra izany ny fokontany Ankazobe.
« Nizotra am-pilaminana tanteraka, teny amin’ny kianja Est-Mahazoarivo, ny lalao famaranana ny tournoi du maire Foot à 11. Hisaorana araka izany ireo mpandray anjara rehetra, ireo vahoaka naneho filaminana ary ireo tomponandraiktry ny filaminana rehetra » hoy ny tomponandraikitra avy amin’ny kaominina.
« Hisaorana feno ny avy amin’ny kaominina amin’ny fanomezany lanja ny tanora sy ny fanatanjahan-tena. Zava-dehibe tokoa ny fifaninanana tahaka izao satria manandratra ny baolina kitra ary mampitombo ny traikefa eo amin’ny mpilalao » hoy i Fidy, mpilalao baolina kitra.
Raha tsiahivina, ny fokontany Ankazobe no nibata ny amboara voalohany tamin’ity fifaninanana ity, ny fokontany Ambodivoanjo kosa ny laharana faharoa ary ny fokontany Est-Mahazoarivo ny teo amin’ny laharana fahatelo.
