ActualitésTsidika

Ny tsara ho fantatra mahakasika saka

Biby kamo raha jerentsika amin’ny fihetsiny avy ety ivelany ny saka, tsy misy zavatra ataony akoatran’ny misakafo, matory, migafigafy sy misangisangy. Ny zavatra tsy fantatry ny ankamaroan’ny olona sy ny mpitia saka anefa dia tena miaro sy mitsabo ny tompony izy ireny, saingy eo amin’ny tontolo tsy hita maso izy no tena miasa noho ny hery voajanahary ao aminy.

 Mahazaka fréquence mivelatra kokoa raha oharina amin’ny masontsika olombelona ny mason’ny saka izany hoe mahita ireo « entité » hafa tsy hitan’ny olombelona izy, sady afaka mahita amin’ny alina; anisan’izany ohatra ireo karazana énergies manodidina antsika iay tazan’ny masony, na ireny karazana matotoa ireny koa tazany. Misintona ny énergie negative amin’ny vatan’olombelona indrindra rehefa matory amin’ny alina. Mahatsapa ny karazana emotions n’ny olona koa ny saka na ratsy io na tsara,  diniho fa miova arak’izay koa ny fihetsiny sy ny zavatra ataony amintsika, raha sendran’ny emotion negative isika (oh: malahelo, tezitra, tratran’ny stress, …)

 miezaka manala an’ireny ao anatintsika ao ry zareo. Miaro amin’ny énergie negative mety miditra ao an-trano, tsy haiko na efa tsikaritrareo fa misy fotoana izy tia miara matory amin’ny tompony, Tsy miala eo ambony fandriana na manodidina eo. tsy miala manodidina ny fandriana eo izy amin’ny alina rehefa tsapany fa misy hery ratsy hafahafa satria ny sofin’ny saka koa mantsy mahazaka fréquence 55Hz – 79000Hz , izany hoe misy feo tsy henon’ny sofin’ny olombelona fa henon’ny saka, ary fantany hatramin’ny direction ny feo rehetra mandalo ny sofiny, izay no mahatonga azy mahafantatra ny zavatra rehetra mivezivezy ao an-trano ao, na zavatra kely mitsaitsaika aza henony, ny fivezivezin’ny énergies ao an-trano ao ren’ny sofiny. 

Mamoaka feo akoatra ilay « meow, meow, meow » iny saingy tsy henon’ny sofintsika, ka ny vibration an’iny feo iny no mampatanjaka ny taolan’ny olombelona (mampiakatra ny densité), manisatrana haingana ny fery ihany koa.  Diniho kely indray fa rehefa maratra ny tompony dia mamoaka an’io feo izy, indraindray heno kely ihany somary mierotra sy mitrena kely izay, amin’iny izy no manasitrana mamoaka an’ilay vibration afaka mitsabo. Nohon’ny fanany an’ireo hery ao anatiny ireo no mam-pisy mpitsabo amin’ny alalan’ny energie (energy therapy) mampiasa azy,

Laisser un commentaire