ActualitésTsidika

Ambohimangakely: Misokatra ho an’ny rehetra ny toerana Ambodivoara mirehitra jiro

Nisokatra ary azo tsidihina nanomboka ny 17 desambra teo ny Ambodivoara mirehitra jiro, ao amin’ny kaominina Ambohimangakely. Tsy natao ho an’ny mponina ao Ambohimangakely ihany fa natao ho an’ny rehetra ny toerana voaravaka jiro, mandritra izao fety izao, araka ny voalaaza.

« Taorian’ny fanokafana nataon’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara miasa aminy, izay notronon’ny vahoaka maro be teto an-toerana, dia afaka maka sary sy miala voly ety an-toerana avokoa ny rehetra amin’izao ankatoky ny fety izao » hoy ny avy amin’ny kaominina Ambohimangakely.

« Anisan’ny mampiala voly ny olona, miala kely amin’ny mahazatra ny fijerena toerana tahaka izao. Ny ankizy ihany koa faly mahita ireo karazana jiro isan-karazany. Hisaorana ny kaominina nikarakaraka sy nanokana izany ho an’ny mponina » hoy i Nivo, mponina ao Ambohimangakely.

Tsy mbola mankaleo ny olona ny fijerena jiro mirehidrehitra tahaka izao, maro aza ireo liana ary manokana fotoana mihitsy hialana voly amin’izany. Ankoatra ny ao Ambohimangakely, dia misy toerana ahitana jiro mirehidrehitra ihany koa ao amin’ny kaominina Alasora.

Laisser un commentaire