USP Big : Sehatra mampiofana ny tanora ho lasa matihanina amin’ny tontolon’ny informatique
32 taona izao no nisian’ny toeram-piofanana ESP Big (Etablissement Supérieur Professionnel spécialisé en Informatique), izy no anisan’ny sangany ary ara-panjakana sy manaraka fenitra raha eo amin’ny lafin’ny fampiofanana amin’ny sehatry ny nomerika, informatika ary ny teknolojia eto Madagasikara. Ao anatin’ny fanomanana ny taom-pianarana 2022-2023 hatrany ny ivon-toerana amin’izao fotoana izao ka mampahafantatra ireo tanora liana amin’ny tontolon’ny siansa sy ny ara-kajy mirindra ireo lalam-piofanana misy ao amin’ny ivon-toerana.
« Toa ny fampiofanana amin’ny sehatra ambony rehetra, aorian’ny fahazoan’ny tanora ny diplaoma bakalorea, manomboka amin’ny fampiofanana ao amin’ny taona voalohany ireo mpianatra ny ato amin’ny ESP Big. Ireto avy ny ny taranja hianarana ao amin’ny taona voalohany izay: ny mathématiques, Fondements de la programmation informatique, ny maintenance informatique, Bases de la conception d’un site web, Conception et Gestion de base de données, Systèmes d’exploitations UNIX et Windows, Techniques de communication professionnel ary ny Techniques de gestion » hoy i Razafimahefa Hony Tianatomponandraikitra ao amin’ny ivon-toerana.
« Ankoatra izao ao amin’ny taona faharoa ireo mpianatra no mianatra mahakasika ny Mathématiques Appliqué et Électromécanique, Développement d’application web, et desktop multiplateforme avec les langages de programmation : de scripts, orienté objet, web, événementiel, Technologie : logicielle, web, multimédia, communication réseau, Atelier de génie logiciel, Méthodes de modélisation, Sécurité du système informatique, Gestion informatisé ary ny Conduite et gestion de projet informatique » hoy hatrany ny fanazavana.
« Ao amin’ny taona fahatelo izay hahazoana ny diplaoma Licence, no hianarana ny Recherche opérationnel, Développement : système, réseau, multimédia, Administration systèmes et réseaux, Administration de base de données avancé et Systèmes de Gestion de Base de Données Avancé, Signaux et systèmes de télécommunications, Principes de management, Entreprenariat ary ny Multimédia. Marihina moa fa manomboka amin’ny taona faharoa dia efa manana traikefa ary afaka miatrik’asa avy hatrany ireo mpianatra ao amin’ny ivon-toerana » hoy hatrany ny tompon’andraikitra.
Tsiahivina fa amin’ny 25 oktobra izao no fidirana ho an’ny fanombohana ity taom-pianarana ity ho an’ny ivon-toerana. Natao ho an’ireo tanora lahy sy vavy na vao nahavita ny bakalorea na ireo efa amin’ny seha-piofanana ambony ny fiofanana koa ho an’ireo tanora liana ka maniry ny hahafantatra be be kokoa ny fiofanana dia afaka manantona ny ivon-toerana, izay eny Tsimbazaza.
Manitra Ramanantsoa
