ActualitésTatitra

Etats-Unis : Efa misy ihany koa ny moto manidina

Ny orinasa JetPack Aviation no namolavola ity tetikasa ity hatramin’ny taona 2019. Efa nahavita sidina andrana voalohany ihany kosa izy ny herinadro lasa teo. Speeder no niantsoana ity moto ity, avy amin’ny horonantsary Star Wars ny aingam-panahy raha ny fanazavana.Hisy karazany roa ny Speeder rehefa ho amidy amin’ny taona 2023 hoy ireo tompon’andraikitra ny iray ho an’ny daholo be ka tsy hilaina fahazoan-dàlana manamory fiaramanidina ary hananana hafainganam-pandeha 100km isan’ora mandritra ny 15 minitra. Ny iray kosa ho an’ireo manana fahazoan-dàlana manamory fiaramanidina amin’ny hafainganam-pandeha 240km isan’ora ary maharitra 10 hatramin’ny 20 minitra.Efa azo atao kosa ny mamandrika ny fividianana ity moto ity amin’ny taona 2023, izay mitentina 380 000 dollars (1 500 tapitrisa ariary) ary tsy maintsy mandoa 10 000 dollars (40 tapitrisa ariary) mialoha ho antoka amin’izany.

Laisser un commentaire