Alasora : Voapetraka tsara ireo jiro miisa 16
Tafapetraka ao Alasora ny jiro miisa 16, entina hanazavana ny tanàna. Betsaka ny mponina mipetraka manamorona ny lalana ka nangataka azy ity.
« Betsaka ny mponina manamorona ny lalana avy eto amin’ny kaominina makeny Manorikandro no mitaraina ny mba hametrahana jiro noho ny tsy fandriam-pahalemana amin’ny alina. Nanaiky ny hanome mialoha ireo fitaovana nilaina ihany koa ny mpiara-miasa. Jiro miisa 16 no voapetraka teto » hoy ny avy ao amin’ny kaominina Alasora. « Manentana ireo mbola tsy nahefa ny anjarany mba hanatitra izany ety amin’ny kaominina amin’ny fotoana mahamety anareo avy araka ny tapaka tao amin’ny fivoriana. Mankasitraka antsika rehetra amin’ny fiaraha-mientana » hoy hatrany izy ireo.
Manampy betsaka amin’ny fampandriana ny fahalemana eto Avaradrano tokoa ny fanazavana ny tanàna. Hirariana ny hitohizan’izany hatrany.
Nicole Rafalimananjara
