Alasora : Jiolahy efatra lavon’ny balan’ny polisy
Jiolahy miisa efatra no indray lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana, ny alin’ny talata ifoha alarobia teo, teny amin’ny faritra Ankona, Alasora. Polisy avy ao amin’ny kaomisarian’Alasora nanao fisafoana ny alina no nifanihatra tamin’ny jiolahy hanao fanafihana ka nisy ny fifandonana teo amin’ny roa tonta, araka ny voalaza.
« Manohy ny ady amin’ny asan-jiolahy mahery vaika hatrany ny polism-pirenena. Nandritra ny fisafoana izay nataon’ny polisy avy eto amin’ny kaomisaria sy ny USI noho ny fisian’ny fanafihan-jiolahy mitam-piadiana teny amin’ny manodidina. Jiolahy miisa dimy nirongo basy avy no nifanehitra tamin’izy ireo » hoy ny avy amin’ny polisim-pirenena.
« Rehefa raikitra ny fifampitifirana, jiolahy miisa efatra no lavo teo no eo fa ny iray kosa tafaporitsaka. Basy miisa telo no nampiasan’ireo jiolahy ireo ary efa azon’ny polisim-pirenena, mitohy kosa ny fikarohana sy ny fanadihadiana momba ity raharaha ity » hoy hatrany ny fanazavana.
Mendrim-piderana ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana tahaka izao. Mamely ny tsy fandriam-pahalemana tato ho ato ary noho izany ezaka izany dia maro ireo jiolahy lavo. Tsara tohizana hatrany izany mba hamaizana ireo mpanao ratsy ary hamongorana ny tsy fandriam-pahalemana ihany koa.
Manitra R.
