Ambohimanambola: Nisehoana lozam-pifamoizana, mpitondra moto iray no voa mafy
Nisehoana lozam-pifamoivoizana tao amin’ny lalana Mahitsy Ambohimanambola, omaly maraina. Fiara iray no nifandona tamin’ny moto, tao an-toerana. Vokany, potika tanteraka ilay moto, ilay mpitondra kosa vaky loha, araka ny voalaza.
“Mafy mafy ny fifandonana, indrindra ny nahazo ilay mpitondra moto satria vaky be ny lohany ary ahiana ny ainy. Taorian’ny nisehoan’ny loza dia nandray andraikitra avy hatrany ny mpamily ka nitondra ilay naratra any amin’ny hopitaly” hoy i Lova, nanatri-maso ny zava-misy.
“Ny fandehanana mafy no tena olana ety amin’ny lalana ety dia eo ihany koa ireo moto tia misongona fiara ka mitera-doza tahaka izao. Mila entanina na handraisana fepetra mihitsy satria eo ny mandeha mafy kanenfa maro ny mpandeha an-tongotra amin’iny lalana iny. Ankoatra izay, misy toeram-piantsoanana tsy manara-penitra ihany koa eo, izay tokony jeren’ny tomponandraikitra manokana” hoy i Dina, mponina ao Ambohimanambola.
Fanindroany izao no nisehoana lozam-pifamoivoizana teo amin’ity toerana ity, araka ny voalaza hatrany. Ilaina ny fitandremana eny an-dalana; ny loza tokoa tsy mampilaza ka tokony ho mailo hatrany ny rehetra, indrindra ireo mpitondra moto na ny mpamily mba hanaja ny fenitry ny hafainganam-pandeha.
Manitra R.
