Actualités

Israël : Mivoaka tsikelikely amin’ny fihibohana fahatelo.

Manomboka miverina tsikelikely amin’ny laoniny ny fiainan’ireo mponina ao Israël. Ny alin’ny alakamisy 4 febroary, nanambara ny governemanta israeliana fa ho amaivanina ny ahamehana ara-pahasalamana ao Israel manomboka ny alahady 07 febroary. Miverina misokatra tsikelikely ireo fiivarotana ao Jérusalem hatramin’io andro io. Maherin’ny 3,4 tapitrisa ireo olona efa natao vaksiny ao Isael. Manodidina ny 2 tapitrisa kosa ireo efa nahazo ny tsindrona faharoa. Tena mandaitra ny vaksiny fanefetry ny covid-19 hoy ireo mponina any an-toerana. Nohon’ny fahitan’ny governemanta ny fandairan’io vaksiny io no antony nanapahana ny hevitra hampivoahana an’I Israel tsikelikely amin’ny fihibohana fahatelo.

Laisser un commentaire