Social

Mangalatra sisa no vahaolana hitan’ilay rangahy tratra.

Raha noana hono ny kibo mivezivezy ny fanahy, ary tsy misy olombelona mahazaka hanoanana izany fa miezaka mitady hevitra hatrany izy amin’izay hahitany sakafo. Manaporofo izany ity tranga tany Bealanana ity. Halatra sisa no hitan’ity rangahy ity azo atao mba hihinanany raha efa nitady asa tetsy sy teroa izy. Mangahazo sy cocombre no nangalariny ary tratran’ny fokonolona ambody omby ny tenany. Noteren’ny fokonolona hihinana manta ireo zavatra nangalariny ireo ilay rangahy. Sady mampahonena no mahatezitra ny zava-nisy. Natahorana ny mety hitohizan’ny sazy omen’ny fokonolona azy ka avy hatrany dia nalain’ny mpitandro filaminana izy. Iza tokoa moa no omena tsiny amin’izao tranga izao? matetika ilay mpangalatra foana no mahazo tsiny voalohany na dia teo aza ny hanoanana nahazo azy ka nisarika ny sainy hanao izao.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire