SocialTsidika

Fanamboaran-dalana any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana

Efa ela no nitaraina noho ny haratsian’ny lalana ny mponina avy any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana satria tena mila vonjy maika ny lalana izay mirefy 960 km any an-toerana. Manao antso avo ny tompon’andraikitra izahay aty Atsimo Atsinanana satria mila amboarin avonjy maika mihitsy ny lalana aty izay mirefy 960 km, io lalana io dia mampitohy distrika 5 sy kaominina 98 mba hiantohana ny fampandrosoana aty an-toerana hoy ny Governoran’ny afritra Atsimo Atsinanana, Mahafaky Justin. Sahirana izahay amin’ny fivezivezena amin’ny fivelomana satria sady ny lalana hoy ny Gerard mponina any an-toerana. Soa fa efa tonga any an-toerana ny fitaovana andiany voalohany ho amin’izany fanamboarana izany ankehitriny hoy ny governor. Efa nisy ny ezaka araka izany k any 50 km amin’ny 250 km mila fanamboarana izay mampitohy an’I Vangaindrano sy Taolagnaro no efa nisy fanamboarana. Mitohy hatrany ny ezaka ho an’ny fampandrosoana ny firenena amin’ny alalan’ny fanamboaran-dalana hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fanavaozana sy ny asa vaventy izay niantoka ny fanamboarana. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire