SocialTsidika

Fatin-jazakely hita teny Tsiafahy Ambatofotsy

Zazakely amam-bolana efa tsy nisy aina intsony no sady efa nisy fofona no hitan’ny fokonolona ny alarobia 11 aogsitra lasa teo teny amin’ny làlana midina avy any Tsiafahy mankany Ambatofotsy tokony ho tamin’ny 11 ora tany ho any.

Nisy nametraka teo ambony goavy ilay tsy manantsiny niaraka tamin’ny lamba.Tsy nisy nahatsikaritra izay nahatonga azy teo ny teny amin’ny manodidina. « Mino aho fa efa ela io fatin-jaza io no teo saingy nahay ny olona nanafina azy ka saika tsy hita » hoy i Jacqueline, mponina teny amin’ny manodidina. « Sahy izay nahavita namono sy nanary ity zaza ity, tsy misy tahotra ny tsiny sy ny tody intsony » hoy ny filoham-pokontany teny an-toerana. »Tsy nahita olona nivezivezy teto mihitsy izahay, tsy nahatsikaritra n’inon’inona fa efa somary maimbo vao sadaikatra » hoy hatrany ny mponina teny an-toerana.

Fa maninona no misy olona sahy manary ny menaky ny ainy? Inona no vahaolana ho an’ny fanarian-jaza, famonoan-jaza, ny fanalan jaza ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire