ActualitésTsidika

Andro manerantany ho an’ny mpikavia na ny « gaucher »

Ny 13 aogositra no andro manerantany ho an’ireo mikaviavia na ny gaucher. Fantatrao ve mikavia i Bill Gates izay namorona ny marika fata-daza maneran-tany « Microsoft » ? I Léonard de Vinci, i Albert Eistein, i Jules César ary ireo mpikaroka maro hafa dia mikavia izany hoe manoratra amin’ny tanàna ankavia ohatra, ny havia no tena manavanana azy.

Mahita hevitra hafa sy tsara foana izy ireo na dia 12% ihany aza izy maneran-tany. Samihafa ny miankavia sy ny miankavanana eo amin’ny fomba fisainana, samy manana ny maha izy azy izy ireo. Sady kilema izany no tombony ihany koa hoy ireo manam-pahaizana. « Matetika mahay sy matsilo saina ary tia mamorona ny olona mikaviavia ary olona farak’izay malaky » hoy kosa i Nandrianina, mpianatra.

« Tsy ny hoe manoratra amin’ny tanana ankavia ihany akory no antsoina hoe mikaviavia ary tsy hoe ratsy akory izany fa ny atidoha ankavia ny azy no tena miasa ka malaky kokoa ny azy ny rantsam-batana ankavia rehetra » hoy i Dokotera Tsiry. « tsy nisy hoe nisafidy fa toa nandeha ho azy ilay manoratra amin’ny tanana ankavia, nan rehefa mitendry gitara aza dia samihafa mihitsy ny fitendrena azy » hoy i Setra, « gaucher ».

Tsy atao sakana ny fisian’ny olona mikaviavia, samihafa amintsika fotsiny izy fa ny ankavia izany ny azy no manavanana azy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire