ActualitésTatitra

Seychelles : Hametrahana famokarana angovo amin’ny herin’ny masoandro ambony rano ao an-toerana

Nosoniavina ny alarobia 5 aprily teo ny fifanarahan’i Seychelles sy ny orinasa Qair amin’ny fametrahana famokarana angovo amin’ny herin’ny masoandro ambony rano ao amin’ny « lagon » Providence ao amin’ny morontsiraka atsinanan’ny nosy Mahé. Nanamafy io orinasa io fa tsy hisy fiantraikany amin’ny tontolo iainana an-dranomasina ny fametrahana io famokarana angovo io.

Marihana fa orinasa efa matihanina amin’ny famokarana angovo azo havaozina ny orinasa Qair, ary ao Montpellier ny ivo-toeran’izy ireo. Mila fikojakojana goavana ny fametrahana famokarana angovo ambony rano hoy kosa ireo tompon’andraikitra, vitsy nefa ny toerana an-tanety azo trandrahana ao amin’ny nosy Seychelles amin’ny tetikasa ka tsy maintsy natao ambonin’io « lagon » io izany. Marihana fa voaaro amin’ny  onjan-dranomasina ny «lagon ».

Laisser un commentaire