Zaikaben’ny Fivapova : Antsiranana no nandray ny andiany fahatelo
Anisan’ny nanamarika ity herinandroan’ny 16 aogositra ity, ho an’ny faritra Antsiranana, ny fanatanterahana ny zaikaben’ny Fivapova na ny Fikambanana Vadina Polisy sy Polisy Vavy, andiany faha telo izay iarahan’ireo fikambanana manerana ny nosy.
« Zaho ndraiky anao, olo araiky fo » ity no loha-hevitra ho banjinina manditra ity fihaonambe ity. Vehivavy vadin’ny polisy sy ny polisy vavy maherin’ny 1700 avy amin’ireo faritra 23 no tonga namonjy ity zaika be ity.
Nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny 17 ny volana aogositra teo izany ary hifarana ny faha 20 ny volana, izay natao tao amin’ny kianja mitafo Antsiranana izany. Tanjona ao anatin’ity zaika be ity ny fanomezana lanja ny sehatry ny kolontsaina sy ny firaisan-kina ary ny fampivoarana eo anivon’ny fitaleavam-paritra manerana ireo faritra manerana ny nosy.
Manitra Ramanantsoa
