PolitiqueTatitra

Comores : I Azali Assoumami no filoham-pirenena

Teraka ny 1 janoary 1959 tao Mitsoudjé ny kolonely Azali Assoumami. Manam-boninahitra sy olom-panjakana ao Comores izy. Nanomboka ny 30 aprily 1999 izy no tafiakatra teo amin’ny fitondrana noho ny fanonganam-panjakana. Raha tsiahivina dia ny filoha vonjimaika Tadjidine ben Saïd Massounde no sedra izany.

Voafidy ho filohan’ny vondronosy kosa i Azali Assoumami ny taona 2002 ary mbola voafidy ny taona 2016 sy 2019. Anisany filoha nitondra fanovana ny tenany, ny 23 desambra 2001 dia nanangana lalàm-panorenana vaovao lany tamin’ny fitsapan-kevi-bahoaka izy. Niteraka fizakan-tena ireo vondronosy tao Comores izany izay samy nametrahana lalàna fototra, saina ary mpanatanteraka.

Laisser un commentaire