ActualitésTatitra

La Réunion : Efa tonga an-toerana i Fary, mpanao hatsikana

Mpanao hatsikana frantsay i Fary, teraka ny 7 Jolay 1991 tao Paris. Efa teny amin’ny amin’ny lise aizy no nankafia io sehatra io ary mpampianatra azy tao amin’ny lycée Marcelin-Berthelot ao Saint-Maur no isany nanosika azy hanao « stand-up » sy nanampy azy nanoratra ny sehony voalohany. Ny fandaharana « On n’demande qu’à en rire » tao amin’ny France 2 kosa no tena nampiakatra ny lazany.

Nigadona tao La Réunion omaly kosa i Fary. Raha tsiahivina dia hanatontosa seho an-sehatra ao an-toerana ao amin’ny teatra Luc Donat izy ny 19 sy ny 20 may izao. Nilaza izy fa efa maika hamantatra ny toerana sy ny mpankafy azy ao amin’ny nosy. Marihana fa aorian’io hetsika io dia hanao seho eto Madagasikara, ao amin’ny Novotel ihany koa i Fary ny 21 may izao.

Laisser un commentaire