ActualitésTsidika

Fiaraha-monina : Tokony hisitraka ny zony feno ireo ankizy eny amoron-dalana

Isaky ny 12 aprily no andro natokana hoa n’ny zaza eny amoron-dalana, izay mbola betsaka eto amintsika. Tsy vitsy ireo vondrona na fikambanana na hetsi-panjakana mandray an-tanana ny fampisitrahana ny zon’ireny zaza eny amoron-dalana ireny.

« Manan-jo hisitraka ny zony ny ankizy rehetra na ny manana na ny tsy manana. Anjarantsika olom-pirenena, mpiray tanindrazana ny manampy hahatontosan’izany. Mila fiarovana ny ankizy, indrindra ireo eny amoron-dalana. Mila fandraisana an-tanana avy amintsika izy ireny » hoy i Tiavina, manam-pahaizana mikasika ny zon’ny ankizy. « Betsaka ireo zaza tsy afa-mianatra noho tsy fahampian’ny eo am-pelatanana sy ny hetsika maimaim-poana ho amin’izany. Nataonay indrindra ny hetsika Biblio bus Ank’Izy ho an’ireo zaza malagasy izay miriaria eny amin’ny lalana tsy afaka misitraka izany atao hoe fianarana. Manampy hahatanteraka izany ireo tanora mpilatsa an-tsitrapo be dia be eto amin’ny Fikambanana Ank’Izy » hoy i Ranoelimanana Dimby, filoha mpanorina ny Fikambanana Ank’Izy.

Tsara foana ny mifanohana amin’ny samy mpiray tanindrazana. Tsy tokony ny vahiny avy any ivelany no hanampy voalohany, fa eo indrindra isika tanora afaka manome maimaimpoana ho an’ireo ankizy eny amoron-dalana mba hisitrahany ny zony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire