Comores : Soidiki Rylane Soulaimana, mpiadina zandriny indrindra afaka BAC tao amin’ny nosy
Manodidina ny 70% ny tahan’ny tsy fahafahana Bac ao amin’ny nosy Comores. Amin’ireo 30% afaka kosa dia tovolahy 13 taona antsoina hoe Soidiki Rylane Soulaimana no zandriny indrindra. Afaka soa aman-tsara tamin’ny Bac siantifika izay natrehany izy.
Mpianatra tao amin’ny sekolim-panjakana io tovolahy io. Marihana nefa fa isany ireo tena ambony tahan’ny tsy fahafahana ao amin’ny nosy ny sekolim-panjakana noho ny antsirambina sy ny tsy fahampian’ny mpampianatra. Noporofoin’io zazalahy io noho izany fa filofosana no mahatafita amin’izay rehetra atao.
Izy no mpiadina zandriny indrindra afaka BAC teo amin’ny tantaran’ny nosy Comores. Manoloana ny fahombiazany kosa dia notoloran’ny orinasa Daoud&Générations vatsi-pianarana 50 000 francs ny tenany.
