ActualitésTsidika

Sabotsy Namehana: Nisy ny fametrahana fehezam-bonikazo teo amin’ny tsangam-baton’ny mahery fo

Daty iray manatantara eo amin’ny malagasy ny datin’ny 29 Martsa. Io tokoa no fotoana hahatsiarovana ireo mahery fo nitolona sy niady  ho an’ny tanindrazana ny taona 1947. Anisan’ny nametraka sy nankalaza izany fahatsiarovana izany ny teny amin’ny kaominina Sabotsy Namehana tamin’ny alalan’ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin’ny tsangam-baton’ny mahery fo, ao an-toerana.

« Fotoana iray anisan’ny manan-danja ary ahatsirovana ireo malagasy mpiray tanindrazana, nitolona sy niady ho an’ny fahafahana ny fotoana toa izao. Tsy tokony atao ambanin-javatra ireo tolona nataon’izy ireo fa tokony ho velomi-maso hatrany ny fitiavan-tanindrazana izay nahazoantsika fahaleovan-tena » hoy ny avy amin’ireo manam-pahefana.

« Mila miezaka ny vahoaka malagasy ankehitriny amin’ny famelomana ny ambo-po sy ny fitiava-tanindrazana. Raha jerena ny zava-misy ankehitriny, mandalo ady sarotra sy olana maro ny vahoaka eo amin’ny lafin’ny rehetra, ka mila miezaka mba tsy hahavery momoka ireo tolona natao tamin’izany fotoana » hoy i Maxim, zokiolona.

Nanatrika ity fametrahana fehezam-bonikazo ity tao an-toerana moa ireo rafitra sy hery velona ao amin’ny kaomina; ao anatin’izany ireo manam-pahefana isan-tokony, ireo fikambanana samihafa ary ireo mpanao hay ady ao an-toerana.

Manitra R.

Laisser un commentaire