ActualitésTsidika

Tantara: Liana amin’ny tantaran’ny 29 mars 1947 ny ankizy sy ny tanora

Mahafainaritra sy mahaliana ny ankizy sy ny tanora hatrany ny mahalala ny tantaran’ny Madagasikara. Nanamarika izany ny fahamaroan’ireo ankizy sy tanora mpianatra tonga nanatrika ny fametrahana ny fehezam-boninkazo ho fahatsiarovana ireo mahery fon’ny firenena ny 29 martsa 1947 teny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina. Hatramin’ny mpianatra kilasy fahadimy dia efa liana tamin’izany izay tonga maro niaraka tamin’ny kahie sy ny penina hahafantatra ny tantara.

“Ny antony nahatongavako tety tamin’izao lanonana izao dia ny mba hahafantatra ireo izay milevina ao amin’ity fasan’ny mahery fo ity ary ohatran’ny ahoana ny tantarany. Sady ilaina any am-pianarana izany no ilaiko ho fantatra fotsiny ihany”, hoy i Aryan, mpianatra kilasy fahadimy tonga teny an-toerana.

 Marihina fa ny eny amin’ny fasan’ny mahery fo eny avaratr’Ambohitsaina dia miisa 13 ireo milevina ao ary ny Amirtaly Didier Ratsiraka no nilevina farany tao ny 29 martsa 2021. Ankoatra ny fahafantarana izany tantara rehetra izany dia eo ihany koa ny filàna izany ho amin’ny fikarohana isan-karazany ka izany no anisan’ny nahasarika ireo mpianatra nanotrona ity lanonana ity. “Anisan’ny fahalalana tantara no nandehanana tety kanefa eo ihany koa ny ilaina ny mahita mivantana ireo akanga sisa nanamborana afaka hasaina amin’ny fotoana toy izao. Entina manatsoaka hevitra sy mamoaka fikarohana, mety hitondra hatramin’ny fanovana ny zava-misy izany”, hoy ny solontenan’ireo mpianatra eny amin’ny Anjery manontolo tonga teny an-toerana.

Marihina moa fa ny Amiraly Didier Ratsiraka izay maty ny taona 2021 teo no nanangana ity fasana natao hahatsiarovana ny mahery fon’ny firenena ity tamin’ny 29 martsa 1977 izay hita eny Mausolée avaratrt’Ambohitsaina. Afaka tsidihina izany toerana izany ho an’ireo izay liana amin’izany tantara izany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire