Afghanistan : Mpanangana sekoly ho an’ny vehivavy iray no nosamborina
Nanao fanambarana ny Manua (Mission d’assistance des Nations unies en Afghanistan) fa nosamborina ny alatsinainy 27 martsa teo tao Kaboul i Matiullah Wesa, tompon’andraikitry ny fikambanana PenPath ary mpiaro ny zon’ny vehivavy amin’ny fisitrahana fanabeazana ny tenany.
Nangataka tamin’ny manam-pahefana ny Manua mba hanambarana ny toerana nihazonana io tompon’andraikitra io sy ny antony nisamborana azy. Nitaky ny fahazoan’i Matiullah Wesa mpisolo tena eo anoloan’ny fitsarana ara-dalàna ihany koa izy ireo ary nangataka ny fahafahany mifandray amin’ny fianakaviany.
Nilaza kosa ny rahalahin’i Matiullah Wesa antsoina hoe Samiullah Wesa fa teo ampivoahana toeram-pivavahana silamo iray ny rahalahiny no nisy nisambotra. Raha tsiahivina dia nanangana toeram-pamakiana boky 18 isa ity lehilahy 30 taona voasambotra ity, miasa ho an’ny tsy fahaizana mamaky teny sy manoratra ao amin’ny fireneny ihany koa izy.
