Etats-unis : Voalohany ao amin’ny lisitr’ireo olona ahiahiana ny olon-tian’i Gabby Petito
Hita faty tao amin’ny valan-javaboahary Wyoming ao Etats-Unis ny talata teo i Gabrielle Petito, 22 taona. Efa potipotika ny tenany ka talata teo vao voamarin’ireo mpanadiady sy ireo mpitsabo fa izy tokoa ity hita faty ity. Raha ny fantatra dia niaraka tamin’ny olon-tiany Brian Laundrie, 32 taona nanao « road trip » izy, izay tsy hita popoka hatramin’ny 17 septambra.Ity lehilahy ity no voalohany ao amin’ny lisitr’ireo olona ahiahiana hoy ireo mpitandro ny filaminana noho izy vinavinaina nahita azy farany. Efa niverina irery tao an-tranony ihany koa izy ny 1 septambra raha ny fanazavana ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny mpitandro ny filaminana. Ao amin’ny alan’ny Carlton, faritra feno honahona 100 km² ao andrefan’i Floride no misy azy hoy ny ray amn-dreniny saingy tsy manamora ny fikarohan’ireo manam-pahefana izany noho io toerana io rakotra ala sy feno biby masiaka toy ny voay sy ny bibilava.
