ActualitésTatitra

Australie : Gana mahay mamoaka feo samihafa

Ao Australie no misy ity karazana gana « érismature à barbillons » ity. Rehefa nandinika azy ireo siantifika dia afaka namaritra fa mahay mamoaka karazam-peo samihafa ity gana ity, anisan’izany ny feon’olombelona. Maka tahaka izay feo reny toy ny bloky izy raha ny fanazavana ary mahavita mamoaka feo toy feom-baravarana mikatona sy feon-tsoavaly mihika. Nanandrana nandray feo ireo gana ireo ny manam-pahaizana sasan-tsasany ka nahatsikaritra gana iray antsoina hoe Ripper niteny mazava hoe « you bloody fool » midika fanakianana. Maro ireo tsy nino izany hatramin’ny fikarohana nataon’i Carel ten Cate, mpikaroka ao amin’ny Institute of Biology Leiden (IBL) ao amin’ny Leiden University ao Pays-Bas fa misy tokoa ny gana mpaka tahaka na « canard imitateur ».

https : //www. youtube. com/watch ? v=46RSYCXwSXo

Laisser un commentaire