ActualitésTatitra

Etats-Unis : Avy amin’ny tantara tena nisy ny horonan-tsary « Conjuring »

Horonan-tsary mampatahotra notontosain’i James Wan ny « Conjuring ». Tamin’ny taona 2013 no nivoaka ny andiany voalohany nitondra ny lohateny hoe « Conjuring : Les Dossiers Warren » na “ »La Conjuration/The conjuring »). Miresaka mpivady mpihaza demony ny tantara ary avy amin’ny tantara tena marina izany raha ny fanazavana.Tena nisy i Edward Warren Miney antsoina hoe Ed Warren teraka ny 7 septambra 1926 ary maty ny 23 aogositra 2006, sy ny vadiny Lorraine Rita Warren teraka ny 31 janvier 1927 ary maty ny 18 avril 2019. Samy teraka tao Bridgeport izy roa ary samy maty tao Monroe. Mpanoratra manam-pahaizana manokana amin’ny « science occulte » izy mivady ary malaza amin’ny fihazana matotoa sy ny « démonologie » na ny fandalinana ny devoly ary amin’ny fanana fahitana.Tantara tena niain’ireto mpivady ireto tamin’ny taona 1971 tao Rhode Island no notontosaina horonan-tsary « Conjuring : Les Dossiers Warren ». Efa nihatrika « possessions », « exorcisme » ary « poltergeist » mantsy izy mivady ireo. Ny « Conjuring 2 » ihany koa dia avy amin’ny tantaran’izy ireo tamin’ny taona 1977 tao Enfield tao Londres ary tantarany tamin’ny taona 80 no nisintonana ny « Conjuring 3 ».

Laisser un commentaire