Europe : Iza moa i Adrian Kozakiewicz ?
Miompy sy mpanangona bibikely ity lehilahy 23 taona ity. Manana karazam-bibikely toy ny maingoka, lolo, hala, trambo, famakiloha, fanday, sifotra sy bibikely hafa ny tenany. Anisan’ireo mpiompy bibikely lehibe indrindra ao Europe ny tenany ary efa 10 taona izy no nanao ity asa ity.Malaza maneran-tany ny lehilahy ary anisany mampitombo ny lazany ny haben’ny bibikely ompiany. Maro mpanaraka izy ao amin’ny tamba-jotra sosialy ary efa nanao fampirantiana ireo biby ireo ihany koa ny tenany. Raha ny fanazavany dia misy mividy ihany koa ny biby hompiany.
