ActualitésTsidika

Tetik’asa hamerenana indray ho maintso ny renivohitra aty Afrika

Taona maromaro izay no nanomboka efa nosy mena ilay Gasikara nosy maintso nireharehana fahiny. Na ilay fomba fiteny hoe « na ho ringana aza ny ala antsinanana » aza ankehitriny toa efa manalasala ny mbola hiteny azy indray.

Efa maro ireo vondron’olona sy fikambanana nirotsaka an-tsehatra tamin’ny fambolen-kazo saingy nijanona teo amin’ny fambolena ny ankamaroany fa tsy nitohy tamin’ny fikarakarana sy fanaraha-maso. Tsy ny rehetra akory izany fa tsy vitsy ireo mahafoy fotoana sy mahavatra mikarakara tsara. Ao anatin’izay famerenana ny tontolo ho maintso izay ihany, namokatra tetik’asa mikendry ny hamerenana indray ny renivohitra sy ny tontolo aty Afrika ho maintso ny FAO. Firenena Afrikana 6 no nanasonia ity fifanarahana ity : Praia any Cabo Verde, Nairobi sy Kisumu any Kenya, Antananarivo eto Madagasikara, Quélimane any Mozambique ary Kigali any Rwanda.

Tanjona, araka ny nambaran’ireto renivohitra 6 ireto miaraka amin’ny FAO, ny hahasarika renivohitra manodidina ny 1 000 maneran-tany amin’ny taona 2030. Manentana ireo tompon’andraikitra isak’ireo renivohitra 6 noho izany ny tale jeneralin’ny FAO mba hisintona sy hisarika ireo liam-pivoarana, mpandraharaha sy ireo tanora ao an-toerana hiara-hisalahy aminy fa sady fanomezan’asa ireo tanora izy ity no dingana mankany amin’ny fampandrosoana ny tanàna sy ny tontolo iainana. Ny hetsika toy izao, tokony tsy hiandrasana ny avy any ivelany ary indrindra indrindra, izay vita tokony asiana fanaraha-maso sy fikarakarana.

Ally Herisoananahary

Laisser un commentaire