Miakatra hatrany ny saram-pidirana ao amin’ny Polytechnique Antsiranana
28 Jona, 09h00. Mitaraina ireo mpianatra fa miakatra hatrany ny saram-pidirana amin’ny fidirana ao amin’ny Polytechnique Antsiranana. Maro ireo tsy nahafantatra akory ny fiakarana sy ny anton’izany. Lasa nisy sivana, na « selection de dossier », ny miditra 4ème année, ny droit L1, L2, L3 300 000Ar, ny M1, M2 400 000Ar. Teo aloha anefa ny L1, L2, L3 180 000Ar,ary ny M1, M2 240 000Ar.
