Dépêches

Fifamoivoizana: Mitaky ny zony hiverina hiasa ireo “taxi bisikileta”

Dépêche 20 octobre, 13h, Nolavin’ny avy ao amin’ny fiadidiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny fangatahan’ireo mpanao “taxi bisikileta” hiasa eto amin’ny tanànan’Antananarivo ary nampidirina ambalam-pamonjana ny bisikileta sasany. Nitokona nanaloana izany ireo mpamily bisikileta sasany nangataka ny fahazoan-dalana hiasa sy hitatitra vahoaka eto Antananarivo. Voalaza tamin’ny fanazavana moa fa ny loza mety hitranga amin’ny tsy fahatomombanana ny fiarovana ny ain’ny mpandeha no tena handavana izany indrindra eto Antananarivo izay ahitana fiara betsaka loatra mifamezivezy ka mampanahy.

Laisser un commentaire