ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Nisy nandoro ny tanety tao Antetona

Nirehitra, nisy nandoro ny tanety tao amin’ny fokontany Antentona, kaominina Ambohimalaza, ny talata lasa teo. Ny fiaraha-miasa sy ny firaisan-kina teo amin’ny fokonolona no nahafahahana nifehy sy namono ny afo tao an-toerana.  

“Mendrika sazy sy hametrahana dinam-pokonolona ny tranga tahaka izao, entina hamehezana na hanasaziana ireo olona tratra manao ny doro tanety. Tsy ho fay ary hitohy, hisy hatrany ny doro tanety rehefa fotoan’ny mai-tany tahaka izao raha tsy misy ny fanapahan-kevitra entitra raisina manoloana izany” hoy I Hasina, tomponandraikitry ny fikambanana misahana ny fiarovana ny tontolo iainana.

“Amin’ny fotoana tahaka izao tokoa no tena ilaina ny fiaraha-mientan’ny fokonolona sy ny fanehoana ny firaisan-kina. Tanindrazana iombonana tokoa ka tokony samy sarotiny raha misy ireo mpisompatra sy minia mandoro ny tany” hoy I Liva, mponina ao Ambohimalaza.

Loza mitatao ho an’ny tontolo iainana sy ny taranaka fara mandimby ny doro tanety. Iliana dia ilaina ny fiaraha-mientana entina miady amin’izany, ary samy tomponandraikitra ny olom-pirenena tsirairay amin’ny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire