Toetr’andro : Mila miomana amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro hatrany.
Dépêche 20 octobre, 12h30, Na dia efa anatin’ny vanim-potoan’ny lohataona aza isika ankehitriny, izany hoe tokony efa hafana foana ny andro. Etsy andaniny anefa dia tsapa fa misy hatsiaka somary marifiry rehefa vao maraina be sy amin’ny hariva. Ilaina foana ihany koa ny miomana amin’izany toetr’andro miovaova izany mba hitandroana ny fahasalamana. Rehefa hivoaka ny trano dia tsy tokony hadinoina ny akanjo mafana raha mieritreritra ny hody hariva loatra eo ihany koa ny satroka raha mandeha amin’ny masoandro betsaka loatra. Ilaina hatrany ny mailo hiantihana ny faahsalamana. Raha ny vinavinan’ny mari-pana ho an’Antananarivo dia manodidina ny 14°C ka hatramin’ny 27°C izany.
